airtel

Fampianarana

21-août-2024

Tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra

Mbola mahatratra 23,5% amin’ny Malagasy

Sample post image

Eo amin’ny 23,5% amin'ny Malagasy no tsy mahay mamaky sy manoratra, araka ny

21-août-2024

valin’ny fanadihadiana naharitra natao ny 2021-2022, notaterin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Misy fiantraikany lehibe kokoa izany amin'ny olona mahantra, amin'ny 40% amin'ny mponina voalaza ho "mahantra fadiranovana", raha oharina amin'ny latsaky ny 5% ho an'ny mponina izay atao hoe "manankarena". Ankoatr'izay, 31,1% amin'ny mponina Malagasy no tsy manana fahafahana amin'ny fanabeazana. Misy fahasamihafana lehibe hita amin'ny resaka fanabeazana eo amin'ny fianakaviana mahantra sy ireo fianakaviana sokajiana ho manankarena, miaraka amin'ny fahitana mazava sy tsy fisian'ny fanabeazana araka ny tokony ho izy amin'ny fianakaviana tena mahantra (48%), raha oharina amin'ny 9,7% ho an'ny fianakaviana manan-katao. Na izany aza, ny tahan'ny fahavitrihana miditra an-tsekoly ho an'ny ankizy 6 ka hatramin'ny 10 taona dia 95,5%. Ny tahan'ny fisoratana anarana amin'ny sekoly eto Madagasikara dia 70,6% ho an'ny ambaratonga fototra, 28,3% ho an'ny voalohany amin'ny ambaratonga faharoa, ary 13,1% ho an'ny dingana faharoa amin'ny ambaratonga faharoa. Ny tahan'ny famerenana kilasy amin'ny ambaratonga fototra kosa dia 15,5% ary ny amin'ny voalohany amin'ny ambaratonga faharoa dia 7,2%. Endrika maneho izany, fa mbola mila ezaka ny fanabeazana eto amintsika, ary misy ny elanelana goavana, mila fanatsarana ny tontolo ankampobeny mikasika ny fampianarana mba hisian’ny fitoviana lenta, mila hatsaraina ny votoatom-pampianarana mba hifanaraka amin’ny otrikarena misy eto Madagasikara, ka mba tena ho fanoitra ara-toekerana sy handresena ny fahantrana,…
Toky R

 

Dans la même rubrique