airtel

Fampianarana

21-août-2024

Valin-kafatry ny SECES ho an’ny Fanjakana

« Vahaolana mahomby sy mitondra filaminana maharitra aroso »

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka-mpampianatra

21-août-2024

rehefa nihaino ireo fanehoan-kevitra nataon'ny fahefana mpanatanteraka mikasika ny olana lavareny iainan'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ary nahatsapa ny tsy fisian'ny fiovana manoloana izany. Efa nampahafantarina sy natolotra ireo tompon'andraikitra mahefa, na am-bava, na an-tsoratra ny vahaolana azo ampiharina rehetra mifandraika amin'izany, toy ny soso-kevitra, antontan-taratasy, antontan'isa, tolotra didy aman-dalàna ary volavolana fikaonandoham-pirenena momba ny Fampianarana sy Fikarohana eto Madagasikara, hoy ny SECES Nasionaly anatin’ny fanambarany mitondra ny datin’ny 19 aogositra 2024. Eo anatrehan'izany, dia entanina ny tompom-pahefana, hiroso amin'ny fametrahana ny filaminana sosialy, arak'ireo tolo-kevitra avy eny ifotony, izay antoky ny fahombiazana akademika; ary anisan'izany ny fanadiovana, amin'ny lafiny rehetra, hanavahana ny vary amin'ny tsiparifary, hoy hatrany ny fanambarana. Misintona ny sain'ny fahefana mpanatanteraka ihany koa ny SECES, mba handroso vahaolana voadinika tsara sy mahomby ary hitondra filaminana sosialy maharitra. Tsara moa no mampahatsiahy, fa ny 12 aogositra lasa teo, dia notondroin’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Praiminisitra Ntsay Christian ho ampiasain’ny mpanao politika hanakorontana ny mpianatra, ratsy tantana ny oniversite, tsy tonga any amin’ny mpianatra ny vola, mandany vola ny ora fanampin’ny mpampianatra mpikarika,…
Toky R

 

Dans la même rubrique