airtel

Fampianarana

08-juil-2024

VOKA-PANADINANA BEPC

Distrika 13 isa no efa namoaka izany

Sample post image

Tena haingana ny fivoahan’ny voka-panadinana BEPC tamin’ity taona 2024 ity.

08-juil-2024

Raha saika amin’ny faran’ny herinandro avokoa mantsy no noeritreretin’ny rehetra dia efa nivoaka tamin’ny faran’ny herinandro ny ampahany tamin’izany izay notsindrian’ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena mpisolo toerana fa miankina tanteraka amin’ny isan’ny mpiadina. Distrika miisa 13 hatramin’ny omaly Alahady 07 Jolay no efa namoaka izany nahitana an’Andramasina izay nahazoam-bokatra 74,16%. Teo koa ny distrikan’Iakora izay nahafaka mpiadina 64,35%, Ambatomainty: 73,37%, Mandoto : 80,42%, Ambohidratrimo: 60,71%, Ambatolampy: 76,53%, Manjakandriana : 78,40%, Befotaka: 71,43%,Kandreho: 84,06%, Besalampy: 42,92%, Ikalamavony: 64,47%, Midongy: 77,50% ary Faratsiho: 69,46%. Hivoaka manaraka tsikelikely amin’ity herinandro ity kosa ireo vokatra ambiny avy amin’ireo distrika an-jatony hafa.
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny fijerena ny vokatra tany amin’ny distrikan’i Faratsiho tany !

 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap