airtel

Fampianarana

02-juil-2024

VOKA-PANADINANA BEPC

« Miankina amin’ny isan’ny mpiadina ny hanafainganana izany »

Sample post image

Tontosa omaly Alatsinainy 01 Jolay ny andro voalohany niatrehan’ireo mpiadina miisa 299.130 i

02-juil-2024

sa manerana ny Nosy ny fanadinam-panjakana BEPC taona 2024. Tonga nanokatra tamim-pomba ofisialy ny laza adina voalohany tetsy amin’ny Lisea Maoderna Ampefiloha ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena mpisolo toerana, Pr Randriamanantany Zely Arivelo, ary nizara izany tamin’ireo mpiadina. Nandritra izany no nanentanany indray ireo mpiadina tsy hanadino ireo taratasy sy ireo fitaovana ilaina mandritra ny fanadinana. Nampitany hafatra ihany koa ireo ray aman-dreny mba tsy ho tafajoboka ao anatin’ny fandrik’ireo milaza fa nahita laza adina. Nirary soa ireo mpiadina koa ny Minisitra mpisolo toerana hahatanteraka hatramin’ny farany ny fanadinana, izay haharitra 04 andro, ary nampahery ireo tompon’andraikitra rehetra isan-tsokajiny nikirakira ny handavorariana ny fanadinana BEPC 2023-2024.Nanambara ihany koa fa arakaraka ny isan’ny mpiadina isaky ny ivon-toeram-panadinana no hanafainganana ny fotoana hivoahan’ny valim-panadinana aorian’ny fahavitan’ny fitsarana ireo taratasim-panadinana. Tombanana ho tapa-bolana aorian’ny fitsarana ny fanadinana eo ho eo izany.
Pati
Legende : Omaly nandritra ny fitsidihana ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana BEPC nataon’ny Ministra sy ny ekipany !
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap