airtel

Fampianarana

21-juin-2024

VOKA-PANADINANA CEPE

Mety hivoaka amin’ny faran’ny herinandro

Sample post image

Mety hivoaka amin’ny faran’ny herinandro izao ny voka-panadinana CEPE eto amintsika raha

21-juin-2024

ny loharanom-baovao azo omaly. Manodidina ny 50%-n’ny asa fitsarana eo ho eo no efa vitan’ireo mpitsara hatramin’ny omaly Alakamisy 20 Jona hoy hatrany ity loharanom-baovao ity. Tamin’ny ankapobeny dia ny taranja kajy sy ny laza olana ary ny Frantsay no tena olan’ireo mpiadina. Nisy latsaka ambiny mihitsy ny naotin’ireo mpiadina noho izany toy ny hita tany amin’ny Faritany. Na izany aza nisy mpiadina tena nahay kosa hoy hatrany ity loharanom-baovao ity. Nanomboka afak’omaly Alarobia 19 jona moa ny fitsarana ny taratasim-panadinana CEPE 2024 manerana ny DREN miisa 23 mandrafitra an'i Madagasikara, raha tsiahivina. Mizotra am-pilaminana izany ary namafisina hatrany ny fepetra hiatrehana ny fitsarana mba hivoahan'ny voka-panadinana marina sy faran'izay haingana. Mpiadina miisa 529 635 moa no niatrika ny fanadinana CEPE nanerana ny Nosy, izay mitsinjara amin’ny ivon-toeram-panadinana 2057. Miisa 99 amin’izy ireo no manana fahasembanana.
Pati
Legende : Miasa mafy tahaka izao ireo mpitsara ny fanadinam-panjakana CEPE !
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap