airtel

Fampianarana

25-févr-2025

Vondron’ny mpampianatra mpanabe eto Madagasikara

«Aza miheritreritra fampandrosoana raha tsy hijery ny mpampianatra!»

Sample post image

Anaty vanim-potoam-pahavaratra isika izao, hoy ny filoha nasionalin’ny VMMM na Vondron’ny mpampianatra

25-févr-2025

mpanabe eto Madagasikara, Didi Rakotoarisoa. Tafiditra indrindra ihany koa ao anatin’ny antsoina hoe andron’ny sekoly na «Journée des écoles», hoy izy. Matetika febroary toy izao io nefa milatsaka ny orana. Tsy maintsy nahato izany ny fanabeazana eny anivon’ny sekoly rehefa tafalatsaka ny orana. Misy ny tondra-drano sy faritra tena tondraka tokoa. Raha misy avela mianatra nefa misy sasany tsy avela izany ao anatin’izay dia lasa tsy mitovy ny lentam-pahaizana azon’ireo mpianatra amin’ny fanenjehana fandaharam-pianarana. Mitombina, noho izany, ilay fanapahan-kevitra nampiatoana ireo mpianatra. Ny rafi-panabeazana vaovao dia misy sekoly mbola tsy misitraka azy. Tsy mbola mahenika an’i Madagasikara io fa misy ezaka nataon’ny fitondràm-panjakàna hitantanana izany mba hanana izay rafi-pibeazana vaovao izay daholo ny sekoly rehetra na ambaratonga ambany io na ambony, hatramin’ny fara-tampony eny amin’ny oniversite. Tsy ampy nefa ny fotodrafitrasa. Mbola betsaka no tsy misitraka izany fotodrafitrasa manaraka ny filàn’ny mpianatra sy mpampianatra izany any ambany ravinkazo any. Tena mbola lavitra. Mila ezaka be. Hitantsika ny fahorian’ny ray aman-dreny izao satria mafy sy sarotra ny fiainana. Misy tsy afaka intsony na tena nanao ezaka hampiana-janaka aza ny sasany satria tsy misy ny enti-manana. Tsy misy isarangotana. Tsy maintsy miankina foana amin’ny fijerena ny tontolon’ny mahaolona io. Tsy maintsy miainga foana amin’ny valin-kasasarana izany dia ny resa-bola. Mila vola mahampy ny tokantrano tsirairay eto Madagasikara hahavelona ny ankohonany. Mila asa mahavelona. Ny mpampianatra moa dia hitantsika izao fa tena miaina anaty ady. Na dia ataontsika hoe antso na «vocation» ho azy aza io, araka ilay hoe masina ny fanabeazana, dia tsy vitan’izany io fa mila vola, mila karama miakatra. Mila mivelona tsara ny mpampianatra. Raha tiana hanana ny hasiny ny fanabeazana ary ho tafita ny zanaka malagasy dia ny mpampianatra no tsinjovy mandeha, tsinjovina eo amin’ny firenena. Aza miheritreritra fampandrosoana raha tsy hijery ny mpampianatra! Aza miheritreritra fampandrosoana ny lafiny mahaolona ihany koa raha tsy hijery ny fampianarana sy fanabeazana, hoy hatrany ny Vondron’ny mpampianatra mpanabe eto Madagasikara!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique