airtel

Fandriampahalemana

27-mai-2024

ADIN’ANKIZY TAO TOAMASINA

Iray voatsatok’antsy, raikitra ny fisamborana

Sample post image

Zazalahy kely iray no fantatra fa voatsatok’antsy tao Toamasina afak’omaly Sabotsy 25 May alina

27-mai-2024

rehefa niditra tao anaty vondrona mian-dahy miam-bavy tia herisetra sy adiady. Raha ny loharanom-baovao azo dia teo anoloan’ny lapan’ny tananan’i Toamasina izy ireo no niadiady nanomboka tamin’ny 08 ora alina. Raikitra ny fifanenjehana nandritra izany ka nihafara tamin’ny fifanindromana antsy teo anoloan’ny kianjan’ny fahaleovantena . Nandritra izany no nahavoa ity zazalahy kely iray monina ao Tanamborozano parcelle 22/22 ity. Voa teo amin’ny tratrany moa ilay zaza ary mbola afaka nilaza fa tadidiny avokoa ireo namany sy ny ekipa niady taminy. Nitohy tamin’ny fisamborana ireo andian-jatovo ireo ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Mbola tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Toamasina kosa ilay zazalahy kely. Mbola taonan’ny miala sakana avokoa moa ireo andiana zatovolahy sy zatovovavy ireo.
Pati
Legende : Nifandrombahana tato amin’ny efitrano fameloman’aina tahaka izao ilay zazalahy kely !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap