airtel

Fandriampahalemana

24-sept-2024

Ambatobe

Tsy mandry ny tany, mikolay ny vahoaka

Sample post image

Efa ho 2 volana teo izao no mahatsikaritra ny mponina eny Ambatobe fa misy tontakely

24-sept-2024

eo amin’ny efa-dahy eo mihaodihaody eny an-toerana manao asa fanendahana, vaky fisoko, hala-boty, mianika trano sy rehefa azo faritana hoe asana tontakely izany. Hatramin’ny febroary 2023 no efa nandeha ny antsoavo ny amin’ny mba hijerena ny fandriampahalemana amin’iny lalam-baovao mihazo an’Andranobevava , Nanisana, Soamanandrariny iny. Ambatobe ambany mihazo an'Analamahintsy voalaza tamin’ireny fotoana ireny fa mirongatra ny fanendahana raha vao harivariva. Ankehitriny izany, raha ny fampitam-baovao voaray ihany, dia saika itrangana vaky trano hatrany eny amin’iny Ambatobe sy ny manodidina azy iny isak’alina ary velon-taraina manoloana izany tsy fandriampahalemana izany ny mponina eny an-toerana. Sendra nifoha aho izao, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, hoy ny raim-pianakaviana iray monina eny an-toerana, dia nisy nifampisioka sy nifamaly tany ivelany tany. Akaikin’ny lalam-baovao na «rocade» io, hoy izy. 15 minitra taorian’izay, nisy niantso vonjy. Nisy fotoana efa tafiditran’ny tokontaniko ry zalahy ireo. Efa tafakatra tany amin’ny rihana voalohany vao heno. Lasibatra ny akoho amam-borona, ny kisoa, izay vitan’izy ireo tsy migika mihitsy, rehefa biby fiompy. Ny fanendahana eo amin’ny «Rocade» Nanisana manginy fotsiny. Eny amin’ny «Rocade» rahateo no maha tafaporitsaka an-drizalahy. Tsy misy afa-tsy ny miantso vonjy sy mifanome laharana finday manoloana ireo tranga anefa no azon’ny mponina tena atao ka hanaovana antsoavo amin’ny tomponandraikitra mahefa ny amin’ny mba hijerena ny fandriampahalemana ety, hoy hatrany ity raim-pianakaviana ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap