airtel

Fandriampahalemana

27-nov-2023

AMBATOMIRAHAVAVY

Zandary iray nisy nidaroka, lasa ny basy

Sample post image

Zandary iray no fantatra fa nisy nidaroka ary naratra mafy teny Ambatomirahavavy,

27-nov-2023

lalam-pirenena voalohany rehefa nanao fisafoana tamin’ny andro alina, ny alin’ny Sabotsy nifoha omaly Alahady 26 Novambra. Nitaingina moto io zandary io raha araka ny fantatra. Nisy Nikapoka avy any aoriana anefa izy raha ny loharanom-baovao azo ka nianjera ary mbola nanamparan’ireo jiolahy ny heriny ihany. Lasan’ireto farany nandritra izany ny basy kalachnikov teny aminy. Mbola tsy nahitana soritra moa ny momba ireto jiolahy nidaroka ity zandary ity hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Na izany aza efa mandeha ny fikarohana sy ny fanadihadiana momba azy ireo. Efa manaraka ny fitsaboana sahaza azy kosa ilay zandary.
Pati
Legende : Tena voa mafy tahaka izao ilay zandary !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap