airtel

Fandriampahalemana

07-sept-2023

Ambatondrazaka

Vehivavy iray nahatrarana rongony 8 kg

Sample post image

Vehivavy iray 31 taona no voatery nosamborin’ny polisy rehefa nahatratrarana rongony nandritra ny fisavana ny fiara mampitohy an'i Tanambe miazo an’ Ambatondrazaka.

07-sept-2023

Tao Ankazotsaravolo no nahazoana azy io afak’omaly 05 Septambra tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Kilometatra vitsy tsy hidirana ny renivohitr’Ambatondrazaka no nisy fiara mpitatitra nosakanana, raha tsiahivina ka nojerena ireo mpandeha tao anatiny. Nandritra izany no nahitan'ireo polisy fihetsika hafahafa izay nataon’io vehivavy io. Nozahana avy hatrany ny entana izay nentiny ka tratra tamin’izany ny rongony 30 fosona milanja 8 kg. Nentina nihazo ny birao ny Polisy avy hatrany ity farany sy ny mpamilin’ilay fiara nanaovana ny fanadihadiana. Naiditra ambalam-pamonjana kosa ilay fiara.
Pati
Legende : Ity ilay vehivavy tratra nitondra rongony tao anaty fiara !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap