airtel

Fandriampahalemana

07-juin-2024

AMBODIRANO AMPARAFARAVOLA

Raim-pianakaviana roa lasan’ny mpaka an-keriny

Sample post image

Raim-pianakaviana miisa roa afak’omaly Alarobia 05 Jona teo anelanelan’ny tamin’ny 10

07-juin-2024

ka hatramin’ny 11 ora alina no nisy naka an-keriny tany Ambodirano Amparafaravola. Raha araka ny vaovao azo dia olon-kafa no saika nalain’ireo mpaka an-keriny tamin’io fotoana io. Tsy hitany tampoka anefa izany ka izy roalahy ireto no indray noraofiny. Mpamily fiara miasa amin’ny fitaterana olona mampitohy an’ Amparafavola sy Antananarivo ny iray saingy nandalo tany an-toerana mba hikarakara vokatra. Ny iray kosa niambina vary tany an-tsaha ka tafaraka izy roalahy ireo. Tsy maintsy ambenana mantsy ny vary any an-toerana amin’izao noho ny firongatry ny mpangalatra.Hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratany dia mbola tsy nanehoana fitakiam-bola tamin’ny fianakaviana ireo mpaka an-keriny. Tsiahivina moa fa mahazo vahana any amin’iny Faritra Alaotra Mangoro iny rehefa fotoanan’ny voka-bary tahaka izao ny fakana an-keriny.
Pati
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap