airtel

Fandriampahalemana

18-déc-2023

AMBOHIBARY ANJOZOROBE

Olona 4 indray no nalain'ny dahalo an-keriny

Sample post image

Nidiran’ny dahalo an-keriny ny tananan’i Vohitsara, kaominina Ambohibary Vohilena Anjozorobe

18-déc-2023

ny Sabotsy 16 desambra alina lasa teo. Basy fitondra miady izay voalaza fa tena mahery vaika tokoa no nampiasain’ireo tsy mataho-tody nandritra izany ka tokantrano roa no nidiran’izy ireo. Nanohitra ny iray tamin'ireo tompon- trano ka novonoin'izy ireo ho faty. Ankoatra io aina iray efa nafoy io dia olona miisa 4 izay ahitana vehivavy no nalain’izy ireo an-keriny tao amin’ilay trano ary mbola tsy nisy hita hatramin’ny omaly Alahady hariva fotoana nanoratanay. Ny mahavariana ny maro tamin’ ity tranga ity dia tanàna ambenana miaramila io tanànan'i Vohitsara Anjozorobe io. Tsy nisy hita anefa ireo miaramila ireo tamin’ny alina nitrangan’ny fakana an-keriny io, hoy ny loharanom-baova azo. Ireo zandary avy ao amin'ny vondron- tobim- paritra Imerina Centrale no tonga nanavotra ireo mponina sy manao ny fanarahan-dia amin’izao fotoana izao. Andrasana izay mety ho tohin’ny tantara. Pati
Sary indrana : Tsy mety milamina mihitsy ny tananan’Anjozorobe !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap