airtel

Fandriampahalemana

27-juin-2024

Ambohidrabiby

Miverina ny halatra sy fandrasana ireo ombin’olona

Sample post image

Miverina indray ny halatra omby ao amin’ny Faritra Ambohidrabiby ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano,

27-juin-2024

izay tsy lavitra akory ny renivohitr’i Madagasikara. Lasibatra ny ombin’olona ao am-bala, ka tsy mandeha lavitra ireo olon-dratsy fa rasainy tsy miala lavitra ny tanàna. Taolana sy tongony, ary ny lohany sy ireo taovany sisa ajanon’ireo tsivalahara, fa ny nofony dia tena kaohiny tanteraka. Vao tamin’ity herinandro ity izao no nisy ombivavy iray bevohoka efa ho teraka lasibatra tsy nananan’ireo tsivalahara hantra. Tsy ny omby ihany, fa alain’ireo jiolahy ihany koa ny kisoa, raha ny fanamarihana. « Miantso antsika vahoaka eto Ambohidrabiby mba samy ho mailo fa manomboka indray ny halatra Omby sy kisoa . Ombivavy bevohoka efa ho teraka indray no lasibatra teto Ambodifahitra. Hanohy ny ezaka amin'ny fanaovana fisafoana na "patrouille" amin'ny alina ny Ben'ny tanàna sy ekipan'ny Kaominina fa entanina mba samy ho mailo bebe kokoa sy hanao Andrimaso ny vahoaka isam-bohitra. Na izany aza mirary ny rehetra mba samy hiaina anaty fifaliana, araka izay eo ampelan-tànana, amin'izao fety izao. », hoy ny ben’ny tanàna Pasitera Lazasoa Rivondrabevala Rakotondranaivo tao amin’ny pejin-tseraserany. Tsy ao Ambohidrabiby ihany, fa betsaka ireo toerana isehoan’io tranga fangalarana omby sy fandrasana azy tsy lavitry ny tanàna io, ka anisan’ny mikolay mafy ny ao amin’ny Faritra Vakiniadiana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap