airtel

Fandriampahalemana

30-sept-2024

Fandriampahalemana

AMBOHIJAFY TOAMASINA Raim-pianankaviana novonoina teo imason’ny vady aman-janany

Sample post image

teo imason’ireo vady aman-janany tany Ambohijafy Toamasina ny faran’ny herinandro teo.

30-sept-2024

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia notsenain'ireo jiolahy mirongo basy teny amin'ny lalana hody ho any aminy izy efa-mianaka ny Zoma 27 Septambra hariva teo. Avy hatrany dia notifirin’ireo jiolahy teo amin’ny fony ity Raim-pianakaviana ity vokatr’izany rehefa nantenainy hahazoana volabe. Teo imason’ireo vady aman-janany no nanaovany izany izay lasa horohoron-tsaina tsy mety maty ao anatin’ireto farany ankoatra ny ratram-po sy saina tsy maintsy zakain’izy ireo. Lasan’ireo tsy mataho-tody tamin’izany ny vola madinika sahabo ho 5 000 Ar. Nojeren’izy ireo fotsiny kosa ilay moto nentin’Itompokolahy noho ilay kodiaran-droa tsy nety velona. Nalevina omaly Alahady moa Itompokolahy raha ny vaovao azo hatrany.
Pati
Legende : Ranomaso tahaka izao ny an’ireo vady aman-janak’Itompokolahy !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap