airtel

Fandriampahalemana

03-mai-2024

AMBOHIMASINA ARIVONIMAMO

Fasana miisa 5 indray vaky, lamba sisa no navelan’ireo jiolahy

Sample post image

Nitrangana vaky fasana tao Ambohimamory, Fokontany Ankarenana,

03-mai-2024

kaominina ambanivohitra Ambohimasina, distrikan’Arivonimamo ny Alahady 28 Aprily lasa teo. Fasana miisa 5 no indray lasibatra tamin’izany raha araka ny vaovao azo. Dongon-tany ilay fasana iray. Nataon’ireo mpanao ratsy nahita faisana avokoa nandritra izany ireo razana miisa 84 tao anatiny ka ny lamba nifonosany sisa no navelany. Olona naka bozaka no voalaza fa nahita ity trangan-javatra mampalahelo ity. Nalazo mantsy ilay hazo naniry teo ambonin’ilay fasana ka gaga izy ireo. Rehefa ningainy izany dia fasana efa nidanadana no hitany ka nampandre ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny izy ireo niampy ireo mponina tao an-tanana. Mbola tsy hita moa ireo nahavanon-doza hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Ny vovok’ireo razana sisa tavela kosa no nangonin’ny fokonolona natambatra tamina lambakely iray.
Pati
Legende : Ity ilay fasana vaky !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap