airtel

Fandriampahalemana

14-juin-2024

Ampasimalemy, Vangaindrano

Rongony 56 gony saron’ny zandary

Sample post image

Rongony 56 gony, milanja 749,36kg no saron’ny zandary ao Vangaindrano tany Mariany,

14-juin-2024

kaominina Ampasimalemy, taorian’ny nahazoan’izy ireo loharanom-baovao. Miisa 30 lahy ireo olona nitondra ny rongony, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Ny 14 no tratra fa ny 16 tafatsoaka. Avy any amin'ny kaominina ambanivohitr’Ivahona, distrikan'i Betroka ireto rongony, kasy, ireto, raha ny fanazavana hatrany. Lasa adihevitra be moa amin’izao fotoana izao ny mikasika ny hoe ireto rongony tratra ireto ve izany izao dia ho dorana daholo indray? Tsy misy fomba hafa azo hamadihana azy itony ho fototra itondrana soa eo anivon’ny fiarahamonina mihitsy? Voalaza efa hatramin’ny ela fa zava-maniry hany maro mpahafantatra fa manasitrana tazovony, ohatra, ny rongony. Mety misy vokatra hafa azo entiny eo amin’izay tontolon’ny fahasalamana izay koa ve? Ahoana no fomba hahafahana manodina azy tsy ho zava-mahadomelina intsony? Maro ny fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao saingy hatreto nefa moa dia mbola voahenjiky ny lalàna malagasy izay fambolena sy fikirakirana rongony izay. Mampahatsiahy ny fandaniana ny lalàna momba ny toaka gasy tamin’ny fotoan’andro ary heverina fa tsy hijanona hatreo rahateo ny adihevitra momba izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap