airtel

Fandriampahalemana

28-déc-2023

ANKILIVALO MAHABO

Olona 3 nisy namono, 2 efa tsy nisy masony intsony

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilivalo,

28-déc-2023

distrikan'i Mahabo, andro vitsy lasa izay.Olona miisa 3 avy any Karaobato handeha hivarotra hafotra na hodi-kazo hanaovana tady no nisy namono. Tafatsoaka anefa ny iray ka avotra soa aman-tsara. Ny 𝟮 𝗵𝗮𝗳𝗮 kosa 𝗺𝗮𝘁𝘆 𝘀𝗮𝗱𝘆 𝘁𝘀𝘆 t𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻𝘆 𝗶𝗻𝘁𝘀𝗼𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗺𝗮𝘀𝗼𝗻𝘆. Na izany aza anefa dia miisa 3 ny maso lasan'ireo olon-dratsy. Simba mantsy ilay maso iray raha ny fanazavana ka mety tsy ho tian’izy ireo. Miantso ny hisian’ny fandriampahalemana any amin’ity distrika iray ity ireo mponina any an-toerana noho izany. Misy hatrany mantsy ny halatra voa-maso tahaka izao izay vokatry ny tsy fisian’ny asa eo amin’ireo zatovolahy sy ny fahantrana lalina mahazo ny mponina. Lasa manaotao foana ny sasany noho izany . Na ny hanin-ko hanina aza mantsy mila tsy ho hita.
Pati
Legende : Tsy milamina ny fandriampahalemana eto Mahabo !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap