airtel

Fandriampahalemana

19-août-2024

Ankorondrano andrefana

Toeram-piasana miisa 4 no may

Sample post image

Trano hazo miisa 6 no nirehitra teny Ankorondrano andrefana ny alin’ny zoma tamin'ny 11 ora sy 45

19-août-2024

minitra teo, raha ny fampitam-baovao voaray. Fiara miisa 2 nanakaiky ny toerana nitrangan'ny fahamaizana koa no voakasiky ny afo saingy voafehy haingana izany, hoy ny fanazavana. Toeram-piasana ny 4 tamin'ireo trano ireo raha tranon'olon-tsotra ny iray ary toerana fanatobiana fako plastika sy birao ny 2. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina ka voafehy tamin'ny 12 ora sy 54 minitra ny afo. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na olona naratra nandritra izany, raha ny fanazavana voaray ny sabotsy teo hatrany. Andrasana, araka izany, ny fanazavana misimisy kokoa mikasika ny fihavian’izao fahamaizana teny an-toerana izao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique