araka ny tatitr’ireo fampahalalam-baovao vahiny samihafa afak’omaly. Syriana sy Irakianina miisa 8 no nosamborina tamin’ny faran’ny volana Jolay, tany Abidjan sy teto Antananarivo noho ny fanampiana sy loharanom-baovao sampadraharaham-pitsikolovan’i Etazonia sy Frantsa. Nahiana ho manampy amin’ny fandefasana ireo mpikambana ao amin'ny EI hiala avy any amin'ny Faritra Afovoany Atsinanana, ary heverina ihany koa fa mety ho nandraisan'izy ireo anjara tamin'ny tetikady hanaovana fanafihana tamin'ny Lalao Olaimpika any Paris. Fiaraha-miasa tamin’ny sampan-draharaha manokana avy amin’ny firenena maro no nahafahana nandrava ity tambajotra ity raha ny tatitry ny Gazety Frantsay Le Monde, izay nilaza fa mampiseho izao hoe : na dia teo aza ny fianjeran'ny "Califat" tamin'ny taona 2019, dia mbola mitady hanorina famaharana any amin'ny toerana hafa ireo mpikambana ao amin'ny EI, ary lavitra ny toerana fiaviany any Syria sy Irak. Anisan'izany i Eoropa, fa eo ihany koa i Afrika. Ny 28 jolay, araka ny Loharanom-baovaon’ny Le Monde, nanao fanafihana tao amin'ny trano any amin'ny kaominina Koumassi, Abidjan, ireo mpitandro filaminana Ivoiriana avy amin'ny sampan-draharahan'ny ady amin'ny fampihorohoroana, rehefa nahazo fampahafantarana avy amin’ny Amerikanina. Nosamborina tamin’izany fotoana izany ireo Syriana roalahy Maher A. sy Salim A, ary Irakiàna iray sy ny zanany Mohamed W. sy Ahmad W. Nandritra izany fotoana izany, i Hassan A, ny iray tamin’ireo « cousin » Maher A. sy Salim A., dia nosamborina tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa tamin’ny mpitandro filaminana malagasy teto Antananarivo niaraka tamin’ny teratany Irakianina iray. Ity fotoana ity no nisian'ny fanohanana avy amin’ny Sampan-draharahan'ny fiarovana ivelany frantsay. Tahaka ny fianakaviany tao Abidjan, Hassan A. ihany koa dia naniry handeha any Eoropa ireo, hoy hatrany tatitra. Nangonina tao amin'ny trano fonenan'ireo roalahy tao Abidjan ireo taratasy sandoka sy karatra SIM miisa 30. Ireo lehilahy roa, izay ny iray tamin’izy ireo vao nahazo visa Albaina tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, dia mikasa ny handeha ho any Eoropa. Nosamborina ihany koa ireo mpiara-miasa amin’izy ireo tany Côte d'Ivoire, ireo Syriana sy Irakiàna izay nanampy azy ireo ho tonga tonga tao amin’ilay firenena. Voalaza fa efa narahan’ny sampam-pitsikolovana amerikana sy frantsay maso nandritra ny volana maro noho ny fifandraisany amin'ny Fikambanan’ny Fanjakana Islamika ireo. Izy ireo dia voalaza fa nanangana tambajotra fanta-daza izay nanampy tamin'ny fahazoan'ny mpikambana ao amin'ny fikambanana jihadista ny taratasy sandoka na taratasy fanamarinana ho amin'ny dia mankany amin'ny tany hafa. Ny tanjony, araka ny loharanom-baovaon’ireo manam-pahaizana mikasika io raharaha io, dia ny hifindra toerana ireo avy amin'ny EI amin’ny faritra hafa, indrindra any Eoropa. 6 volana aty aoriana vao tena mivoaka ny resaka, ary voakasika i Madagasikara, izay mety endrika maneho sy manaporofo fa mibanaka tanteraka, ary toerana ifamezivezen’ireo mpanao ratsy toy ny tambajotrana mpampihorohoro, mpanao trafikana zava-mahadomelina,… ?
Toky R
Ao anatin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana amin’ireo faritra maro manerana ny Nosy ny Polisim-pirenena
Efa tsy menatra intsony ireo mpangalatra eto amintsika amin’izao.
Miseho lany ankehitriny ny tsy fandriampahalemana ao Anosibe Namontana, eto Antananarivo renivohitra,