airtel

Fandriampahalemana

31-mai-2024

Antsapanimahazo, Faratsiho

3 lahy nangalatra vary 11 gony sy tapany

Sample post image

Vary 11 gony sy tapany no nararaotina lehilahy miisa 3 nangalarina rehefa nandeha niandry faty

31-mai-2024

ny tompon'ilay trano, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandarimaria omaly. Tany Antsapanimahazo, Faratsiho, ny alin'ny 28 mey lasa teo no nitrangan’izany, hoy ny fanazavana. Voalaza fa niaraka tamin'ny sarety mihitsy izy ireo. Efa nodoran'izy ireo ny gony nisy ireo vary mba tsy hahafantaran'ny tompony azy. Nametraka fitoriana ny tompon'ny vary very. Voasambotra izy ireo rehefa nandeha ny fanadihadiana. Niampy 2 lahy izy 3 lahy ireo. Ny iray mpanaraka akaiky izay tany alehan'ny tompom-bary sady mandefa sms. Ny iray kosa no mpaniraka sy mpanome ny andro sy fotoana mahamety ny halatra, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap