airtel

Fandriampahalemana

07-déc-2023

ANTSOANTANY ANTSIRABE

Lehilahy mamon-drongony nosamborina

Sample post image

Lehilahy iray manodidina ny 40 taona eo ho eo no fantatra fa nitondra antsy

07-déc-2023

no sady nihogahoga te -handratra izay mifanena aminy no voatery nosamborin’ny zandary tao Mandritsara Antsoantany Antsirabe ny 03 Desambra teo tokony ho tamin’ny 05 ora hariva. Rehefa nosavaina ity lehilahy iray ity dia mbola hita tao anaty gony noentiny ny fototra rongony maromaro. Raha bangoina izany dia anisan’ny antony nahatonga ity lehilahy ity te-hamono olona tahaka izao ny fifofahany rongony diso tafahoatra. Soa ihany fa nosamborina ilay ranamana ity fa raha sanatria nanohy ny adalany mantsy izy dia olona maromaro no mety efa naratrany na nalany mihitsy ny ainy.
Pati
Legende : Zao ireo fototra rongony tratra tany amin’ilay lehilahy !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap