airtel

Fandriampahalemana

27-mai-2024

Asan-dahalo any ankazobe sy Anjozorobe

5 no indray lavon’ny mpitandro ny filaminana

Sample post image

Miisa dimy ireo dahalo lavon’ny mpitandro ny filaminana mpanao asa fampihorohoroana tao Ankazobe,

27-mai-2024

Anjozorobe ary Ambohidratrimo ny faran’ny herinandro teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia raikitra ny fifampitifirana tamin'ireo zandarin'Ambohidratrimo sy ilay andiana mpaka an-keriny rehefa tratra tao amin'ny zohy fihereny izy ireo ny alin'ny 23 mey teo. I Francis na Iaban'i Lamina, izay voasambotra , no nibaboka nanondro ny toerana nisy azy ireo. Tao amin'ny kizon' Andilana, fokontany Anjezika , kaominina Mahavelona no raikitra io fifanoherana io. Maty nandritra izany ny dimy tamin'ireo jiolahy saingy tafatsoaka ireo namany hafa. Tratra tao amin'ity kizo ity ihany koa ny basy mahery vaika fampiasan'izy ireo. Mbola mitohy moa ny fikarohana ny naman’izy ireo hataon’ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny omaly hariva, fotoana nanoratanay.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy dimy lahy namoy ny ainy !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap