Narindra vao 33 taona monja, izay maty nisy nitifitra ny zoma lasa teo. Maty voatifitry ny andian-jiolahy mirongo basy zoma 21 febroary 2025 tokony ho tamin’ny 7 ora hariva teo anelanelan'ny Ambavalozakely sy Ankafotra 20 km miala ny kaominina ambanivohitra Itremo Distrikan'Ambatofinandrahana raha handeha hiverina hamonjy ny Kaominina iadidiny rehefa avy nosalorana ny samboady tao Ambositra ny alakamisy 20 Febroary teo. Tifitra variraraka no nataon'ireo jiolahy manodidina ny 10 eo ho eo, ka ny 4 mirongo basy ka nahavoatifitra, azy teo amin'ny tarehiny raha ny fitantaran'ny anadahiny izay niaraka taminy. Naratra mafy kosa ny mpamily, raha toa ka afaka niezaka nanavotra ny ainy ny hafa. Tsy nisy entana nalain’ireo olon-dratsy. Ben’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny IRMAR ny tenany, ary fiara voalaza fa nofaina manokana ity nitondra azy ity. Nivory maika ny OMC (Organe Mixtes de Conception) notarihan'ny Prefen’Ambositra taorin’ity tranga ity, ary nahetsika ny mpitandro ny filaminana nanao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy, ka olona miisa 3 no efa voasambotra hatramin’ny sabotsy teo. Nomem-boninahitra tao Ambositra kosa ny vatana mangatsiakan’ity olom-boafidy namoy ny ainy ity, ka saika tonga nanome voninahitra izany avokoa ireo manam-pahefana isan-tsokajiny sy ireo mpiara-miasa taminy.
NAMPANARAHANA NY RAINY NOHO NY TOMBOTSOAN’OLOM-BITSY
Efa ben’ny tanàna tao Mangataboahangy ihany koa ny Rain-dRasazy Narindra, saingy efa nodimandry, ka endrika fifofoana aina tahaka izao ihany koa no nahafaty azy, raha ny fanamarihana. Tamin’ny fahakeliny no voalaza fa efa matetika mifanena amin’ny dahalo eny an-dalàna ity ben’ny tanàna vao namoy ny ainy ity, fa tamin’izany dia ireo dahalo no misafidy ny tsy hanao na inona na inona azy fa miteny hoe : « anaky ny ben’ny tananantsika io ». Tsy vao izy mianaka anefa, fa ben’ny tanàna faninefany nisy namono tao amin’ity kaominina Mangataboahangy ity i Rasazy Narindra. Heverina fa tsy resaka tsy fandriampahalemana tsotra ny famonoana ity olom-boafidy ity sy ny rainy izay efa novonoina tany aloha fa misy ambadika avo lenta izay mbola saro-baliana. Mety misy tombotsoan’olombitsy voakitikitika. Asa na misy ifandraisany fa voalaza ho isan’ny toerana manan-karena harena an-kibon’ny tany toy ny « terre rare » tahaka ny bastnaesite sy monazite izay tena ilaina amin’ny teknolijia avo lenta ao Ambatofinandrahana sy ny manodidina raha ny fikarohana ny taona 2022. Na izany aza, faritra isan’ny tena anjakan’ny dahalo any an-toerana, saingy tsy mety voafehy, ary rehefa misy toe-javatra tahaka izao vao be fihetsiketsehana ny mpitondra.
Toky R
Mirongatra ny mpisoloky noho ny hasarotan’ny fiainana.
Ahitam-bokany hatrany ny hetsika bemidina hataon’ny Polisim-pirenena
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Hitanay ireny antsoantsonareo ireny, hoy ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao
Lavon’ny balan’ny USI ny jiolahy rain-dahiny iray mpampihorohoro ny mponina