kaominina ambanivohitra Ambohibary, distrikan’Anjozorobe ny datin’ny 18 Desambra teo raha efa tena maty voatifitra marina izy ireo na tsia. Vao tamin’ny Zoma 24 Janoary lasa teo mantsy no fantatra fa nahazo antso avy tamin’ilay dahalo indray ny fianakavian’izy 4 mirahavavy ireo izay nanafatra vola tamin’ny Mvola saingy tsy mbola nalefany ilay laharam-pinday. Nilaza izy ireo tamin’izany fa tsy omeny ny fatin’izy 4 mirahavavy raha tsy azony ilay volabe notadiaviny izay nidina 12 tapitrisa Ar isan’olona rehefa natao ny ady varotra teo amin’ny roa tonta. Raha tsiahivina mantsy dia 20 tapitrisa Ar isan’olona no notakian’ireo dahalo ireo tamin’ny fianakaviany ho tambin’ny ain’izy 4 mirahavavy. Mbola mino araka izany ny fianakavian’izy 4 mirahavavy ireo fa mbola velona any ny havany. Mbola tsy eto am-pelatananay ny razana hoy hatrany izy ireo, antony tsy hanaparitahay ny vaovao fa efa tena maty marina izy ireo. Notsiahiviny moa fa saika nivoaka avy amin’ny fianakaviana sahirana 4 mirahavavy ireo. Antony nankahalan’ireo dahalo azy ny fanomezan’izy ireo sakafo ny mpitandro ny filaminana rehefa manao fisafoana ireto farany. Miisa 11 lahy moa izy ireo raha araka ny fantatra izay nitondra basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika no sady tsy nisaron-tava ihany koa.
Pati
Legende : Mitohy hatrany ny fakana an-keriny olona eto Anjozorobe !
Nisy ny zavatra tsy nifanarahana teo amin'ny samy dahalo ka tsisy alaharo alaharo fa tonga
Jiolahy miisa roa efa mpamerin-keloka amin’ny resaka fanendahana mampiasa