airtel

Fandriampahalemana

26-sept-2024

FAMAKIANA TRANOM-BAROTRA TENY ANKERANA

Voasambotra teny Andraisoro sy Anosizato ireo olon-dratsy

Sample post image

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny Boriboritany fahavalo eny Analamahitsy

26-sept-2024

ny lehilahy miisa 04 ny 24 Septambra teo rehefa nangalatra sy namaky trano. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tamin’ ny 17 Septembra teo tokony ho tamin’ny 3ora maraina dia nisy trano vaky tao Ankerana,Ankadindramamy. Tranom-barotra iray mpamongady enta - madinika no niharan’ny asa ratsy lasibatra ka maro ny entana very nandritra izany toy vary 05 kitapo , lafarinina 01 kitapo, siramamy 01 kitapo, menaka 05 bidons ,savony 12 cartons ary lela - vola 2.000.000Ar. Taorian’ny fikarohana nataon’ ny Polisim-pirenena dia voasambotra teny Andraisoro ny 21 desambra teo ny roalahy ary ireto farany indray no nanoro ny namany ka voasambotra teny Anosizato ny 22 septambra 2024 ny roalahy hafa .Tafaverina amin’ny tompony kosa ireo ambin’entana tavela teny amin’izy ireo. Natolotra ny Fampanoavana ny 23 septambra teo ary naiditra am-ponja vonjy maika eny Antanimora izy efa-dahy.
Pati
Legende : Ireto izy efa-dahy !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap