anio talata 25 febroary ny vatana mangatsiakan-dRazasy Narindra na Ranivoarivony Narindraniaina, ilay ben’ny tanànan’i Mangataboahangy distrikan’Ambatofinandrahana izay maty nisy nitifitra. Hatreto tena misy ambadika, resaka harena sarobidy ambanin’ny tany fa tsy resaka fankahalana azy fotsiny. Io ben’ny tanàna io izay voalaza fa nampanantena hanafoana ny gaboraraka amin’ny harena an-kibon’ny tany. « Niteny izy raha ny vaovao azonay, fa aoka izay ny gaboraraka amin’ny resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Raha asan-jiolahy dia norobaina ny entana », hoy ny Petra-kevitry ny Filohan’ny Antenimierandoholona Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard. Raha ny fitantaran’ny anadahiny izay isan’ny niaraka tamin-dRasazy Narindra, dia sakana 2 no nisy, itompokovavy no tena nokendrena. « …Tonga tany aloha amin’izay, nisy làlana ratsy be sy fotaka mandrevo, nivoaka nanosika fiara, niezaka nanavotra ny ainy ny olona. Nijery an-dRanabavy aho izy efa miala aina, tsy tra-drano intsony, izay aho vao nanapa-kevitra nanavotra ny tenako », hoy izy. Tonga teo amin’ny tanàna antsoina hoe Ankafotra tsy lavitra teo vao namory vatan-dehilahy hoe vonjeo fa taraiky ary ny fiara, Rasazy Narindra voatifitra teo amin’ny lohany. Teo vao naheno tamin’ny fokonolona, fa nihoahaka tamin’ny rano ny anabavinao hitanay teo. « Nesorin’ireo olon-dratsy teo amin’ny sezan’ny fiara, ary rehefa natao ny fomban-drazana nanasana ny razana dia hita fa notifirina teo amin’ny fehirifany izany hoe : izy efa maty mbola notifirina nanamarinana tsara fa maty, izay vao nahohoka tamin’ny rano », araka ny fitantantan’ny anadahiny. ». Efa notaterina teto moa, fa olona 3 no efa nosamborina ahiana ho tompon’antoka, ka anisan’ny voarohirohy ny ben’ny tanàna iray teo aloha.
NANAPA-KEVITRA HANAO FISAONANA NY KAOMININA MANDROSOA MANDROSOHASINA
« Nanapa-kevitra ny fiadidiana ny Tanana eo anivon'ny kaominina Mandrosoa Mandrosohasina fa hisaona ny talata 25 febroary ho fiaraha-miory amin'izao nahalasanan'ny ben'ny Tanàna, Rasazy Narindra, maherifontsika lavo am-perinasa izao. Hidina eo amin'ny antsasany avokoa ny sainam-pirenena eo anivon'ny kaominina amin'io andro io. Isaorana isika tonga nanefa ny adidiny nampahery sy nampionona ny fianakaviany tonga teny Andoharanofotsy. Anisan'izany ireo mpiara-monina sy mpiray tanindrazana ary koa ny solontenan'ny ben'ny Tanàna eo anivon'ny distrikan'Andramasina », hoy kosa ny fanentanana nataon’ny ben’ny tanànan’i Mandrosohasina sady mpanao gazety Synèse Ranarison.
Toky R
Mirongatra ny mpisoloky noho ny hasarotan’ny fiainana.
Ahitam-bokany hatrany ny hetsika bemidina hataon’ny Polisim-pirenena
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Hitanay ireny antsoantsonareo ireny, hoy ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao
Lavon’ny balan’ny USI ny jiolahy rain-dahiny iray mpampihorohoro ny mponina