airtel

Fandriampahalemana

04-déc-2023

FANAFIHANA TAO ANKILIVALO MAHABO

Vehivavy iray voatifitra teo amin’ny

Sample post image

kibony, miaramila iray teo amin’ny feny

04-déc-2023

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Mahabo. Dahalo maromaro no indray niditra an-keriny tao amin’ny Fokontany Batiment, kaominina ambanivohitra Ankilivalo, distrikan’i Mahabo ny ny Sabotsy 02 Desambra alina nifoha omaly Alahady 03 Desambra. Tokantrano iray sendra azy ireo no lasibatra voalohany tamin’izany ka Renim-pianakaviana iray no voatifitra teo amin’ny kibony sy ny tanany rehefa tsy nety nanome ny vola tao an-tokantranony hoy ny vaovao. Niditra nanampy ity Ramatoa ity sy ny ankohonany ny mpitandro ny filaminana nandritra izany saingy miaramila iray ihany koa no fantatra fa voatifitra teo amin’ny feny. Vao tamin’ny 08 ora alina monja no nitrangan’io fanafihan-dahalo io. Tsy afaka avy hatrany dia nanara-dia ireo mpanao ratsy ny fokonolona nandritra izany fa nitondra ilay Ramatoa tany amin’ny hopitaly Betela ao Morondava. Ilay miaramila kosa noentina any amin’ny toeram-pitsaboana hafa saingy mbola miady mafy ao anatin’ny fanaintainana izy ireo. Mikasika ity tsyh fandriampahalemana ao Mahabo ity moa dia dahalo iray no voatifitry ny Polisin'ny FIP tany an-toerana ny zoma 01 desambra lasa teo tao Anjatelo, Kaominina ambanivohitra Ampanihy.Teo am-panatanterahana ny "opération lopingo" izy ireo no nifanehatra tamin'ny lehilahy iray milanja basy sy miambozona moara . Vao nahita ny Polisy ity farany dia nitifitra avy hatrany ka voatery nampiasa basy ny mpitandro filaminana ary namoy ny ainy tamin'izany ity olon-dratsy ity.
Pati
Legende : Naratra mafy tahaka izao ny tanan’ilay Ramatoa !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap