airtel

Fandriampahalemana

06-juin-2024

Fanafihana teny Ambondrona

Ny basiny ihany no nitifiran'ny polisy ilay jiolahy

Sample post image

Renim-pianankaviana avy naka vola tamin’ny "cash-point" nandeha moto no notafihin'ny jiolahy

06-juin-2024

roa nitondra basy andro mbola mazava be omaly alarobia 05 jona tokony ho tamin'ny 4ora sy 15minitra hariva, teny Ambondrona akaikin'ny IFT. Niantso vonjeo ny tenany, ka nisy polisy nanao fanamiana sivily sendra teny an-toerana niditra an-tsehatra, hoy ny fanazavana vonjimaika. Efa niomana hitifitra sy tsy hitsitsy ireo olon-dratsy, saingy sendra ny nahay azy. Basin'ireo jiolahy ihany no azon'ilay polisy raha iny mbola teo am-pamahanana basy iny ny jiolahy ka iny no nitifirany ny iray tamin'ireo olon-dratsy, ka voa teo amin'ny tongony sy tratrany ny iray, ny iray kosa tafatsoaka, hoy ny fanazavana. Mendri-piderana ary mendrika fankasitrahana satria nanao vy very ny ainy izany ilay mpitandro ny filaminana. Andrasana ny tohiny satria ity iray sarona ity izany no mety ho làlana makany amin'ny fahatrarana ny ekipany. Tena manjaka ny tsy fandriampahalemana na ambanivohitra na an-drenivohitra, ary miparitaka ihany koa fitaovam-piadiana mahery vaika.
Nangonin'i Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap