airtel

Fandriampahalemana

04-déc-2023

Fanapahan-doha mirongatra ao Vondrozo

Napetraka ny “opération Lopingo”

Sample post image

Manoloana ny fanapahan-dohan’olona mirongatra ao amin’ny distrikan’i Vondrozo

04-déc-2023

dia napetraka ny hetsika na “opération” atao hoe Lopingo, hiadiana amin’izany, hoy ireo tomponandraikim-panjakana ao an-toerana. Ny fanentanana ny mponina hametraka andrimasom-pokonolona na “quartiers mobiles”, ho fiantohana misimisy kokoa ny fandriampahalemana ao an-toerana no tanjona, hoy ny lietna kolonely, Eugène Rakotoarisoa, komandin’ny vondron-tobin’ny zandarimaria Atsimo Atsinanana. Miantrana ao an-toerana koa amin’izao fotoana izao ireo zandary avy amin’ity toby ity sy ny zandarimaria ao Fianarantsoa. olona miisa ahiahiana moa no efa notazomina am-ponja vonjimaika nanomboka ny 20 novambra teo. Mbola anaty fanadihadiana isika amin’izao, hoy hatrany ny fanazavana, ary efa misy porofo voaray an-tanana miampy vavolombelona iray. Amin’ity herinandro ity no hiakatra fampanoavana ny raharaha. Ireo heverina fa faritra mena toa an’i Menabe, Melaky, Bongolava moa no nametrahana ny Lompingo, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanazavana voaray.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap