airtel

Fandriampahalemana

22-nov-2023

FANONDRANANA SOKATRA RADIATA

Lehilahy iray sarona tany Ejeda

Sample post image

Lehilahy iray manodidina ny 40 taona mahery no nosamborina tany Ejeda, Faritra Atsimon’ny Nosy ny 16 Novambra

22-nov-2023

lasa teo rehefa nikasa hanondrana ilay karazan-tsokatra antsoina hoe : radiata. Miisa 16, ireo sokatra saika haondrany ireo raha araka ny fantatra. Ara-potoana anefa ny fampandrenesana ny zandary tao Ejeda nataon’ireo fokonolona Faratse, ka nahitam-bokany avy hatrany. Tafatsoaka moa ireo naman’ity lehilahy mpanondrana sokatra ity izay miisa 03 be izao. Efa eo am-pelatanan'ny fitsarana ao Ampanihy ny raharaha raha efa noraisi'ny Turtle Survival Alliance Madagasikara nokarakaraina kosa ireo sokatra 16 isa ireo. Tsiahivina moa fa tafiditra ao anatin’ireo karazan-tsokatra ahiana ho lany taningana ny sokatra radiate. Ny mampalahelo anefa dia mbola misy hatrany ireo mihaza azy ireny mba haondrana tahaka izao na koa hatao laoka eny amin’ny hotely.
Pati
Legende : Ireto ilay sokatra !

 

 

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap