airtel

Fandriampahalemana

18-déc-2023

FARATSIHO

Lehilahy roa nisy namono sy nalevina an-tsokosoko

Sample post image

Mirongatra hatrany ny vono olona sy ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

18-déc-2023

Lehilahy miisa 2 tombanana ho manodidina ny 40 sy 50 taona eo ho eo no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ary nalevina tao anaty tany ny Talata lasa teo. Samy avy any Ambohitsampana, kaominin'Ambohiborona, distrikan'i Faratsiho izy roalahy ireo raha araka ny fantatra raha tao Andralaihena Manazary, kaominin'Andranomiely, distrikan'Arivonimamo no nahitana ny vatana mangatsiakany. Olona sendra nandalo no nahita ny tongon’izy ireo nisandrahaka tsy tototry ny tany ka niantsoana ireo manam-pahefana sy ny mpitandro ny filaminana. Rehefa nofongarina ny vatana mangatsiakan’izy ireo nandritra izany dia hitan'ny dokotera sy zandary fa nihoson-drà tanteraka. Nisy ratra koa ny lohany sy ny vatany. Rakotonjanahary Émile sy Rakotoarimanana Modeste moa no anaran’izy ireo. Marihina fa niankohoka no nahitana ny razana. Ny zandarimariam-pirenena ao Manalalondo kosa no mandray an-tanana ny raharaha. Tombanana ho mety andro alina moa no namonoana sy nandevenana azy roalahy ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa nihosona tanibe tahaka izao ny vatana mangatsiakan’izy roalahy !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap