airtel

Fandriampahalemana

05-juil-2024

Fianarantsoa

Fatin-dehilahy tsy nisy hodin-tava sy maso intsony

Sample post image

Nahitana fatin-dehilahy iray tao amin’ny Fokontany Bateravola, Fianarantsoa.

05-juil-2024

Renim-pianakaviana iray nitady ravinkazo tao anaty lobolobo teny amin'ny boriborintany Andrainjato tao amin'ny fasam-bahiny no nahita ny razana ka natahotra sy nihorohoro tanteraka. Tsy nisy nahafantarana azy intsony ity lehilahy hita faty ity, satria efa tsy teo intsony ny hoditavany rehetra, efa tsy teo koa ny masony, ary nahitana trobaka teo amin'ny tendany. Raha ny fijerin'ny dokotera nizaha ny razana dia novonoina ity lehilahy ity, ary heverina ho tao anatin'ny 48 ora no nahafaty azy. Tsy nisy nahafantatra azy moa ity lehilahy hita faty ity, ka nentina eny amin'ny tranom-patin'ny hiandrasana izay mety ho havany. Raha tsy misy maka ao anatin'ny andro vitsy ny vatana mangatsiakany ao amin’ny hopitaly Tambohobe dia fantatra fa hoalevin'ny BMH ny razana.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay razana sisa !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap