airtel

Fandriampahalemana

28-mai-2024

Fidorohana sy fanaparitahana zava-mahadomelina

2 lahy tra-tehaka nanomana «méthamphétamine»

Sample post image

Sady mpitahiry no mpivarotra no mpidoroka zava-mahadomelina mahery vaika «méthamphétamine»

28-mai-2024

no saron'ny zandary avy amin'ny tobim-paritra Antsirabe ny 25 mai 2024 teo, tamin’ny 3 ora tolakandro, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Fantatra tamin'ny alalan'ny angom-baovao fa ao Ambohimiandrisoa dia misy tovolahy mpamatsy «drogues dures» na zava-mahadomelina mahery vaika an'ireo tanora ka mahatonga ireo karazana herisetra, fanendahana sy halatra madinika eo amin'ny manodidina. Fantatra ihany koa fa tsy tapaka mpanjifa ao aminy ka taorian'ny fangatahana alalana tamin'ny fitsarana dia niroso amin'ny fijokoana ilay toerana ny ekipan'ny CB Andranomadio. Tratra teo am-panomanana izy roalahy. Mpivarotra sady mpidoroka ilay ao Ambohimiandrisoa. Mpividy sady mpidoroka ilay mponin’Ambohimena). Vovoka na «Poudre de méthamphétamine» 1 grama eo ho eo io. Fitaovana samihafa toy ny fonosana efa lany, vatoafo, goro fanahotoana, kapila sy kalisy, fitsindrona sy fingotra sy ny tahaka izany no tao. Ny iray grama amin'ny vovoka méthamphétamine dia amana hetsiny ny vidiny ary maha dizina omby maromaro. Ny mpanjifa azy io dia mahatsapa hery hafa sy milaza ho lasa matanjaka sy sahisahy ary izany indrindra no mahatonga azy ireny hahavita asa ratsy tsy vitan'ny vory saina. Misy fitakiana anefa izy io satria vao manandrana indray mandeha dia tsy maintsy tohizana raha tsy izany dia mankarary na maha lasa adala. Voatery arak'izany ireo mpidoroka ny hangalatra sy hanendaka, hanao asa ratsy satria tsy maharaka ny tolotra ny tinady. Raha atao kajy tsotsotra dia ny karaman'ny zandary tsipika 2 iray volana dia lanin'ny mpihinana na «consommateurs» 3 andro na herinandro monja. Ny borigady Andranomadio tarihin'ny GPHC Olivier Raniriarisoa dia hamongotra tsy misy fepetra ny karazana zava-maha domelina izay manimba ny tanora ao amin’ny faritra iadidiany. Mitohy ny fanadihadiana ary ho atolotra ny fitsarana izy roalahy ireto, hoy hatrany ny fampitam-baovao avy any.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap