airtel

Fandriampahalemana

24-sept-2024

Fisolikana avo lenta

Sarona ilay mpamadika vato ho lasa merkiora…

Sample post image

Lehilahy iray avy any Anjiro Moramanga any no fantatra fa voasambotry ny zandarimariam-pirenena etsy

24-sept-2024

 Ambohimangakely rehefa nampiesona sy nampijaly ary nisoloky tamin’olona marobe ka anisan’izany ireo miisa 8 izay nanao fitarainana. Milaza ho manam-pahaizana mahay mamadika ny vato ho lasa merkiora Ingahirainy ka tantsaha marobe avy any Ambohibary/Moramanga, Ambohimiadana/Manjakandriana , Ambavahaditokana/Antananarivo, Manjakandriana sy Sambaina , Sabotsy Namehana ary Ambohimangakely no efa nambakainy. Nasainy nandoa volabe ireto olona voasoloky ireto. Miantoka ny sakafony isan'andro, miantoka ny solika hamonjeny ladoany maromaro hanamasinana ny odiny sy ny harembe…Mila manaraka ny baikony koa ireo olona ireo raha tsy izany dia tezitra ny masina ka darohany, rahonany sy hampandroiny rano mangatsiaka amin'ny alina. Asainy misotro ronono manta 2 litatra tsirairay koa ny rehetra. Rehefa nosokafana anefa ilay entana lafovidy mavesatra be dia bambou nofonosina barnafera mainty feno vato karangana no tao anatiny izay nosinganina manokana atmin'irony kalitao mavesatra tsara irony. Hatolotra ny fitsarana tsy ho ela moa ity Rangahy mpisoloky ity izay marihina fa miaraka amin’ny fanamiana toy ny mpitondra fivavahana nefa mpampahory olona sy mpisoloky ary mpamitaka. Tsiahivina hatrany moa fa ny harem-pontsika sy ny fanankinana ny fiainana amin’Andriamanitra ihany no mahatafita antsika. Aleo tsy ho mora rebireben’ny olona fahatany tahaka izao na dia mafy aza ny te-hanan-karena.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana sy ireo vato karangana nandrebirebeny olona !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap