Anjozorobe tany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nisy nanafika ny tokantrano iray tao amin'ny fokontany Kamanja, kaominina ambaivohitra sy distrikan’Anjozozrobe ny 06 Septambra lasa teo. Dahalo am-polony mirongo fiadiana no nanao ny asa ratsy tamin’izany ary voalaza fa naka an-keriny renim-pianakaviana iray.Rehefa nataon'ny zandary avy eto anivon'ny vondrontobimpiparitra imerina centrale sy ny sy tombimparitra Anjozorobe anefa ny fanarahan-dia sy ny vela-pandrika ary ny fanadihadiana rehetra dia fantatra fa sarintsarina fakàna an-keriny no nisy satria io Ramatoa io sy ny sipany ihany no nanomana ilay teti-dratsy.Mpihavana akaiky anefa ny vadin'io Ramatoa nilaza ho nalaina an-keriny io sy ilay sipany izany hoe : zanak'olona mpirahaly izy ireo ary efa manana lonilony amin'ny resaka ady lova efa ela izy ireo. Marihana fa manam-bady koa ilay sipany ary mpiray tanàna ihany izy ireo. Ilay Ramatoa sy io sipany io ihany avy eo no naniraka olona hanafika tao an-tanàna ary nanao fakàna an-keriny mba hahafahana mitaky vola tsy ara-drariny amin'ny vadin-dRamatoa sy ny fianakaviana ka isan'ny tanjona ny hahazoana ireo lova izay niadivana.13 tapitrisa Ar no vola notakiana tamin’izany ka voalaza fa omena 2 tapitrisa Ar Ramatoa rehefa tafavoaka ny tetika.Voasambotry ny Zandary anefa ilay sipan'io Ramatoa io ny 27 Septambra teo ka rava ny tetika. Nivoaka ho azy tany am-pisitrihana Ramatoa vokatr’izany ny 29 Septambra maraina. Tsy nisy ny vola nalohan’ny fianakaviana na ny ariaray. Nitsotra ny marina ilay Ramatoa fa tetika niarahan' izy sy ilay sipany mba hakàna ny volam-badiny sy ny fananan'ny fianakaviana no tanjona. Nosamborina koa araka izany io Ramatoa io ary natao andrimaso. Mbola mitohy ny fanadihadiana hahafahana misambotra ireo mpiray tsikombakomba rehetra amin'ity raharaha ity.
Pati
Legende : Ireto ireo mpifankatia tia vola sy tia harena loatra ka any am-ponja no mety hihafarany !
Zaza manana toe-tena varira iray manodidina ny 4 taona no fantatra fa nisy naka
Fotoana fanararaotan’ireo mpanao afera maloto goavana ny vanim-potoanan’ny krismasy sy faran’ny taona,
Nahatratra 23 isa ireo zaza manana toe-tena varira nisy naka an-keriny teto amintsika tamin’ity taona 2024
Taona tena nampahazo vahana ny fakana an-keriny ity taona 2024 ity teto Madagasikara.
Tsy mitsahatra ny fanapahan-dohan’olona eto amintsika. Lohalaharana amin’izany ny any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy toy ny ao Amboasary Atsimo.