airtel

Fandriampahalemana

03-sept-2024

FOLOALINDAHY MALAGASY

Anisan'ny tompon'andraikitra amin'ny fahantran'ny firenena

Sample post image

Ho an'ny Tanindrazana , izay no teny famevan'ny akademia miaramila malagasy ma ACMIL ao Antsirabe.

03-sept-2024

Toeram-panofanana ireo manamboninahitra hiasa eo anivon'ny tafika sy ny zandarimaria. Sady manam-pahaizana ireo no manaraka fiofanana ara-miaramila feno, tsy maintsy misedra zavatra maro, mahalala tsara an'i Madagasikara, ny zavatra misy ao ary mahafantatra tsara ihany koa ny zava-mitranga manerana izao tontolo izao.
NALAZA TATY AFRIKA
Tany aloha dia tena nanana ny maha izy azy izany ACMIL Antsirabe, Madagasikara izany ary anisan'ny mpianatra nalaza nandrato fianarana tao ny kapiteny Thomas Sankara, ilay mpitondra tia tanindrazana nanova ny anarana firenena voazanaka Haute Volta ho Burkina Faso. Mpitari-tolona sokajiana sy revolisionera nanova zavatra teo amin'ny fireneny tahaka an'i Nelson Mandela (Afriika atsimo), Hailie Selasie (Ethiopie), Mouamar el Kadhafi (Libye) i Sankara. Ary ankehitriny aza dia ilay fehezanteny malaza nahafantarana azy manao hoe : " La patrie ou la mort, nous vaincrons" no natao ho teny filamatra vaovao any Burkina Faso.Tena nanana ny lazany taty Afrika izany Akademia miaramila Antsirabe izany.
NIHEN-DANJA
Ankehitriny kosa anefa manomboka mampanontany tena ny maro hoe fa inona marina no atao ao, ahoana sy ahoana marina ny fampianarana sy fanofanana omena ireo mpianatra ho manamboninahitra. Ny anton'izany baraingo maromaro izany dia satria lasa olana eo amin'ny fiarahamonina, olana any anaty fiarahamonina ireo manamboninahitra, ireo ampahany amin'ny foloalindahy. Maro no tia manandran-tena, tsy mahalala afa-tsy ny tombotsoany manokana, manampatra fahefana, miditra lalina any amina sehatr'asa tokony ho an'ny sivily.
NANONGAM-PANJAKANA
Ary ny tranga manamarika ny tantara sy tena tadidin'ny maro dia ny tamin'ny fanonganam-panjakana 2009, nisy ampahany tamin'ireo foloalindahy notezaina tamin'ny ilay teny filamatra hoe : " ho an'ny tanindrazana" no lasa hoe ho an'ny TGV , ho an'i Andry Rajoelina. Tsy nahazo fahefana i Andry Rajoelina raha tsy notohanan'ireo ampahany tamin'ny foloalindahy ireo tamin'ny 2009. 15 taona aty aoriana nikoroao fahana ny fiainan-dramalagasy, nitombo 3 avo heny ny vidin'ny PPN, ny saran-dalana, notombo isa ny malagasy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Efa tsy ho an'ny tanindrazana intsony angamba ilay teny filamatra ho an'ny sasany fa ho an'ny akamakama.
RTT 

Dans la même rubrique

19-nov-2024

Zazavavikely vao 5 taona monja antsoina hoe Miley, no tsy hita popoka nanomboka ny alahady 17 novambra tolakandro.

Card image cap