airtel

Fandriampahalemana

08-juil-2024

FONJAN'I MAROFOTO MAHAJANGA

Sarona ny Jamala 2 sachets natao tao anaty sakafo

Sample post image

Jamala natao anaty sachet plastika miloko mainty miisa 2 sy tao anaty

08-juil-2024

sakafo no tratran’ny mpandraharahan'ny fonja omaly Alahady 07 Jolay tokony tamin'ny 3 ora tolakandro. Vehivavy iray fianakaviana voafonja hanatitra sakafo no nanao izany ka nosamborina avy hatrany izy. Hentitra ny lehiben'ny fonja raha nilaza fa tsy misy fika intsony ho an'ireo izay zatra ny lalan-dririnina amin'ny fampidirana Jamala ao amin'ny fonja satria hentitra ny fanaraha-maso atao. Marihina fa vadiny voafonja moa io vehivavy tratra nampiditra Jamala io izay niaraka amin'ny zazakely vao 4 volana. Natolotra teo anivon'ny mpitandro filaminana avy hatrany moa izy omaly hariva. Tsiahivina fa vao herinandro vitsy lasa izay no efa nisy vehivavy iray mpanatitra sakafon’ny voafonja ihany koa efa tratra nitondra Jamala tao anaty sakafo tahaka izao.
Pati
Legende : Tahaka izao ireo jamala tao anaty harona sachet plastika sy tao anaty sakafo !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap