airtel

Fandriampahalemana

06-août-2024

Fandriampahalemana

Fonjan’Ambalatavoahangy Gadra miisa roa tafatsoaka

Sample post image

Ofisialy sy voamarina ny fisiana gadra miisa roa tafavoaka tao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy

06-août-2024

ny zoma lasa teo. Voafonja 2 lahy antsoina hoe : Ranary Eddy Brada sy Totozandry Francisco Erneste no nandositra tamin'ny moto. Mpiandry fonja iray tsy niasa no nampanamboatra moto azy 2 lahy tamin'io andro io. Rehefa nisakafo atoandro ireo mpiandry fonja, tokony ho tamin'ny 1 ora tolakandro tamin’io andro io, dia nandraman'izy 2 lahy teo an-tokontanin'ny fonja ilay moto vao avy namboariny. Mpiandry fonja iray avy eo, no voalaza fa nanokatra an-kiafina ny vavahady lehibe, amin'ny tamboho atsinanana. Tamin'io no nivoaka tamin'ny moto moramora ireto voafonja ireto. Ny moto no narian-dry zalahy ka efa hita, fa izy ireo mbola ifampitadiavana amin’izao fotoana izao. Voalaza moa fa nananan’ny mpiandry fonja fitokisana izy ireto, ary efa mpanambotra ny moto an’ireo mpiandry fonja izay simba noho ny fahaiza-manaon’izy ireo. Voafonja efa voatsara izy ireo, ka fanafihana mitam-piadiana sy halatra moto no nampigadra azy ireo. Ny 17 jolay 2023 izy roalahy no naiditra tao Ambalatavoahangy, ary izao tafaporitsaka izao.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap