airtel

Fandriampahalemana

03-oct-2024

GARA TSARAMANDROSO-HALATRA MOTO

Mpirahalahy iraitampo no tompon’antoka

Sample post image

Lehilahy miisa roa 27 taona sy 21 taona no voasambotry ny polisy tao Port-bergé ny

03-oct-2024

alin'ny Alatsinainy 30 Septambra teo rehefa nangalatra moto tao gara tsaramandroso. Ny marainan’ny Alatsinainy 30 Septambra raha tsiahivina dia naharay fitarainana ny Polisim-pirenena miasa any an - toerana mikasika fahaverezana moto nitranga tao Amboangisoa Port-bérgé . Nisy avy hatrany ny fanaraha-maso notanterahana ka taorian’ny fikarohana natao dia hita ny alin'io tao amin'ny gara Tsaramandroso izay trano fonenan'iray tamin'ireo mpangalatra ihany ny moto marika KINLON 200 iray izay very. Ity farany indray no nahafahana nisambotra ny rahalahiny izay nanatontosa sy niara- nangalatra taminy ny maraina. Hiakatra fitsarana anio Alakamisy izy roalahy ireto.
Pati
Legende : Halatra moto iray no hanimban’izy roalahy ireto ny ho aviny !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap