airtel

Fandriampahalemana

17-juin-2024

Gony lehibe miisa 4

Nahitana entana ahiana ho halatra

Sample post image

Hitan’ny zandary tany Antsofonondry, Sabotsy Namehana,

17-juin-2024

ny gisa miisa 9, bisikileta miisa 2 ary gony feno kapa sy kiraro, ny marainan’ny sabotsy teo tamin’ny 2 ora, raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny borigadin’i Sabotsy Namehana ihany. Ahiana ho entana halatra ireo satria nafenina tao anaty gony lehibe miisa 4, hoy ny fanazavana. Raha toa ka ianao no niharan'izany halatra izany dia manàtona avy hatrany ny biraon'ny zandary eny amin'ny Borigadin’ny Sabotsy Namehana, hoy hatrany izy ireo. Andrasana moa, araka izany, ny vokatry ny fanadihadiana mikasika ity tranga ity. Manakatoka rahateo ny andro fety. Entana nokasaina amidy ve sa tena nangalarina tokoa izy ireto? Izay izany no fanontaniana mipetraka hatreto. Heverina fa ho fantatra tsy ho ela kosa ny tena marina amin’ity resaka hala-boty ao Sabotsy Namehana ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap