airtel

Fandriampahalemana

26-déc-2023

Goragora eny anivon’ny Fonja

Nanao fampitandremana ny Minisitry ny fitsarana

Sample post image

Nisy ny fivoriana mivantana sy nampitain-davitra (visioconférence) niarahan-dRamatoa Ministry ny Fitsarana

26-déc-2023

tamin’ireo tompon’Andraikitra voalohany amin’ny Fandriampahalemana eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsarana ny faran’ny herinandro teo. Hentitra ny tenin’ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Rtoa Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, fa tsy ekena ny goragora sy ny tandrevaka eny anivon’ny Fonja manerana ny nosy amin’izao tao anatin’ny ankatoky ny fetin’ny Noely sy faran’ny taona izao, hoy ny tatitra tao anatin’izany. Nambara fa hisy ny paikady manokana hiatrehana an’izany ho an’ireo fitaleavam-paritry ny Fandraharahana ny Fonja, sy ireo Lehiben’ny Fonja rehetra. Notsindriany sy nohamafisiny fa hisy ny fepetra ho raisina ho an’ireo izay minia tsy manaraka ny toromarika. Vonona ny tompon’andraikitra rehetra hanatanteraka ny toromarika ,ary nanome toky ny hampandry fahalemana ny eny anivon’ny Fonja manerana ny Nosy, hoy ny fampitam-baovaon’ny Minisitry ny Fitsarana. Matoa tonga amin’izao dia midika izany fa mety misy ny ambana na tsy fahatokisana amin’ny fandriampahalemana eny anivon’ny fonja, ka mahatonga ny Minisitera nanao an’io karazana toromarika sy fampitandremana io.
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap