airtel

Fandriampahalemana

16-nov-2022

Fandriampahalemana

Halatra kojakojana fiara Roalahy no tratra teny Anjanahary

Sample post image

Lehilahy miisa roa 38 taona sy 30 taona no saron’ny ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany fahatelo teny Anjanahary ny alin’ny alatsinainy 14 novambra teo tokony tamin’ny 9 ora alina manoloana an’i Radama

16-nov-2022

 rehefa nangalatra kojakojana fiara. Polisy nanao fisafoana tamin’iny toerana iny no nahatsikaritra olona hafahafa misikotra varavarana fiaran’olona mitoby amin’ilay fiantsonana na « Parking ».Rehefa nanantona azy ireo ny Polisy dia nirifatra nitsoaka avy hatrany izy ireo. Raikitra ny fanenjehana nandritra izany ka tra-tehaka ireto mpamaky fiara ireto. Marihina fa mbola teo ampanaovana ny asa ratsiny mihitsy ireto jiolahy ireto no izao tra-tehaky ny Polisy izao ary efa saika haka kojakojana tao anatin'ilay fiara. Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo nanaovana fanadihadiana. Tamin’izany no nahafantarana fa izy roalahy ireto no tena hikoizana amin’ny famakiana sy fangalarana ireo kojakoja amina fiara izay mijanona amin’ny toerana fametrahana fiara toy izao eny amin’iny faritra Anjanahary iny.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy roalahy , raindahiny tamin’ny ahalatra kojakojana fiara teny Anjanahary
 

Dans la même rubrique

06-sept-2024

Voasambotra nandritry ny fisafoana nataon'ny zandary teo anivon’ny Borigady Foulpointe ny lehilahy iray,

Card image cap
05-sept-2024

Mafampana hatrany ny sakana ara-politika rehefa akaiky fifidianana tahaka izao.

Card image cap
05-sept-2024

mampiakatra fitsarana ambony ny fianakavian’ilay mpamily fiara karetsaka maty notifirin’ny jiolahy tetsy amin’ny

Card image cap
05-sept-2024

Mpivady indray no tratra nisambotra gisan’olona rehefa sendra nandalo teo am-bavahadiny

Card image cap