airtel

Fandriampahalemana

30-oct-2024

Halatra taolam-paty mbola feno misitery

8 gony indray no sarona tany Andilamena

Sample post image

Taolam-paty nahatratra 8 gony be izao no saron’ny zandary niaraka tamin’ny olona miisa 3 nitondra

30-oct-2024

izany tany Andilamena, raha ny tatitry ny mpitandro ny filaminana. Loharanom-baovao teny anivon'ny fiahamonina no nahatratrarana ireo 3 lahy niaraka tamin'ny taolam- paty miisa 8 gony izay taolan-dava avokoa ny alakamisy lasa teo tao tanānan' Analamarina. Akoatra ireto telo lahy tratra izay ho atolotra ny fitsarana mahefa any Ambatondrazaka, nandritra ny fanafihadiana, dia mbola misy ireo karohina anisan'ny tompon’antoka amin'ity halatra taolam-paty ity, efa manao ny fikarohana amin'izao fotoana izao ny zandary eto Andilamena, ary efa nogiazana eto ihany koa ny kubota sy moto iray izay nampiasan'ireto olon-dratsy ireo ka manentana atrany ireto farany izay manana loharanom-baovao mahakasika ity raharaha ity, hoy ny Mpitandro ny filaminana. Efa mandeha ihany koa ny antso hoan'ireo izay vaky fasana mialohan'ny hametrahana azy ireto amin'ny toerana sahaza azy. Mihamatotra hatrany ny fiaraha miasa eo mpitandro filaminana sy ny mponina taorian'ny fanentanana maro izay natao, miezaka ary tsy mikely soroko etsy ankilany indrindra ny eto anivon'ny vondrotobim patitra zandary Andilamena eo amin'izay asa fampandrina fahalemana izay, ka nahitam-bokany, hoy ny fanamarihana. Nanome toky ny avy eo anivon’ny zandarimaria Andilamena fa tsy maintsy hipoaka ny sarom-bolany, ary tsy maintsy ho fantatra ny ao ambadik’izao. Na izany aza, asa ratsy isan’ny mpitranga hatramin’izay, mety ho efa taon-janto aza ny nisian’ny halatra taolam-paty, saingy mbola mijanona ho misitery sy manjavozavo mandrak’ity ny androany ny hampiasana azy ireny. Ao ny miteny fa hampiasaina amin’ny fitondrana harena sarobidy toy ny volamena ka ny vovok’izy ireny no hamonosana azy mba tsy ho hita sy tsikaritry ny fitaovana fitsirihana, toy ny eny amin’ny seranam-piaramanidina, saingy mbola mijanona ho kihonohono sy tsy nisy fanamarinana ara-tsiantifika mazava. Ao ny resaka mandeha fa hampiasaina amin’ny resaka hody gasy,…
Toky R

 

 

 


 

Dans la même rubrique

02-déc-2024

Maty voatifitra ny faran’ny herinandro teo ilay jiolahy sady mpanolana ireo mpiantsena avy any Bevoay sy Befanihy.

Card image cap