airtel

Fandriampahalemana

10-sept-2024

Halatr’omby tany Ambovombe Centre

Lavon’ny Polisy tao Manandriana ny dahalo iray

Sample post image

Dahalo iray no lavon'ny Polisy tao Manandriana afak’omaly Alahady 08 Septambra hariva tao amin'ny Fokontany

10-sept-2024

Mahasoa II, Kaominina Ambovombe Centre, Distrikan'i Manandriana ihany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia miisa 07 mirahalahy izy ireo no nanafika mpiompy omby tao amin'io Fokontany io. Naharay vaovao momba io fanafihana io tampoka anefa ny Polisy ka nidina tany an-toerana. Nanohitra ary nanambana basy ny iray tamin'ireo olon-dratsy ka voatery nitifitra ireo polisy. Maty tamin'izany ity dahalo iray ity. Mbola karohina kosa dahalo enina ambiny. Mbola tsy nahazo na inona na inona moa izy ireo fa vao nikasa hangalatra fotsiny.
Pati
Legende : Nihena iray ireo dahalo raindahiny tao Manandriana !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap