airtel

Fandriampahalemana

21-août-2024

IMERINTSIATOSIKA

Vehivavy novonoina dia nariana tao anaty hady

Sample post image

Vehivavy manodidina ny 30 taona eo ho eo no hita faty tao anaty hady atsimon'ny tendrombohitra Ambohimanga,

21-août-2024

Fokontany Miakadaza, kaominina Imerintsiatosika, omaly Talata 20 Aogositra tokony ho tamin’ ny 2 ora folakandro. Mpanao biriky teo akaiky nandeha nanary maloto no sendra nahita ny razana izay nivalampatra tsy nisy fofon’aina intsony. Tsy nisy nahafantatra moa ity vehivavy ity rehefa nampahafantarina ireo tompon’andraikitra rehetra tao an-tanana ka vory ny fokonolona. Tsy nisy taratasy nahafantarana azy rahateo tany aminy. Mbola hita tsy lavitra teo moa ny rà namonoana ity vehivavy ity ankoatra ny nandidiana ny tendany sy nandrangotaka ny lamosiny. Ao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Imerintsiatosika no misy ny razana ho an’ireo sanatria ka manana havana tsy hita na nanjavona tampoka.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay vehivavy !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap