eny Alasora Avaradrano sy ny manodidina. Teo am-panomanana asa ratsy ity jiolahy ity no nifanehatra tamin'ny Polisy ka lavo nandritra ny fifampitifirana. Basy vita gasy iray no hita teny aminy. Fantatra nandritra izany fa jiolahy efa nigadra tamin’ny taona 2021 noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana ity namoy ny ainy ity izay nahafatesana olona. Afa-doza ny mponin’Alasora noho izany. Na izany aza mbola miantso hatrany ny mpitandro ny filaminana izy ireo mba hifanome tanana aminy ho fiarovana ny ainy. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpiasa sy mpivarotra mivoaka maraimbe. Toraka izany koa ireo mpiasa sy mpianatra mody hariva na mitondra moto na tsia.
Pati
Legende : Nahazo saran-dalana ho any amin’ny varo tsy mifody indray ity jiolahy ity !
Mirongatra ny mpisoloky noho ny hasarotan’ny fiainana.
Ahitam-bokany hatrany ny hetsika bemidina hataon’ny Polisim-pirenena
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Hitanay ireny antsoantsonareo ireny, hoy ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao