airtel

Fandriampahalemana

20-août-2024

JULIANA, ZAZA NANJAVONA TETSY ANOSIBE

Ny fatiny sisa hita, naolana avy eo notapahana ny tendany

Sample post image

Zava-doza no nitranga tany amin’ny Fokontany Ambohibarikely, kaominina ambanivohitr’ Ampahimanga,

20-août-2024

distrikan’Arivonimamo. Zazavavy kely iray antsoina hoe : Juliana izay vao 12 taona monja no hita faty nisy nandevina teo amoron-tanimbary izay notrongisin’ny kisoa. Naolana io zaza io raha araka ny vaovao azo, notapahana tamin’ny antsy ny tendany nanalan’ireo tsy mataho-tody ny ainy ary naleviny teo amoron-tanimbary avy eo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia niantsena naka entana teny Anosibe i Juliana sy ny reniny ny 05 Aogositra lasa teo. Monina ao Anosizato izy ireo raha mpila ravinahitra avy any Manalalondo kosa. Nijery zavatra tsy lavitra an-dReniny i Juliana kinanjo nanjavona tampoka tamin’io andro io. Nikoropaka ny fianakaviana nikaroka azy taorian’izay izay nitohy tamin’ny fandefasana filazana teny anivon’ny radio mihitsy. Ny 15 Aogositra teo anefa akory ny hahatairan’ny mpiandry kisoa iray tao Ampahimanga fa nisy vatana mangatsiaka hita teo amin’ny sisin-tanimbary, toerana izay niandrasany ny kisoa. Ny tanana sy ny tongotr’ilay zaza no nipoitra voalohany tamin’izany rehefa tsy namelan’ireo kisoa. Taorian'ny fanamarihana nataon'ny mpitsabo sy ny manam-pahefana dia fantatra fa i Juliana ity hita faty ity. Efa voalevina moa ny razana saingy na izany aza miantso ny mpitondra fanjakana mba hijery akaiky ity raharaha vono olona feno habibiana ity ny fianakavian’ny maty.
Pati
Legende : Tahaka izao sisa no nihafaran’ilay zaza tsy manan-tsiny !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap