airtel

Fandriampahalemana

12-avril-2023

Fandriampahalemana

Kapoka « bois rond » eny amin’ny Lalana Rocade

Sample post image

Tsy ampy taona ny ankamaroan’ireo jiolahy

12-avril-2023

Nanamafy ny fisafoana natao teny amin'ny rocade ny polisy taorian'ny trangana tsy fandriam-pahalemana miseho teny amin'iny lalam-baovao iny. Nahitam-bokany izany satria dia andian-jatovo mirongo hazo sy kibay no tra-tehaky ny Polisy miafina miandry mpandeha an-tongotra raha vantany vao hariva ny andro. Sady velesin’izy ireo ireo mpandeha an-tongotra no hendahiny ka nisy mihitsy ireo efa voamafy. Miisa 05 lahy ireo tratra hatreto. Fantatra fa izy ireo dia anisan'ireo nively bois rond sy nanendaka ilay ramatoa iray teny Ambohimahitsy niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera Facebook . 18 taona no zokiny indrindra amin’izy ireo raha 15 taona no zandriny indrindra. Ankoatra ny lalana eny amin’ny Rocade moa dia ahitana ireo olona mively bois rond hatrany koa ny eny amin’ny lalana digy toy ny miazo an’Ambohibao sy Ambohitrimanjaka iny ka tokony handraisana fepetra ihany koa.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap