airtel

Fandriampahalemana

17-nov-2023

LeROMAH SY Le ZUMBA

Tratra nangalatra jiro COBRA teny Antsofinondry

Sample post image

Ela ny ela fa tratra ihany ireo mpangalatra jiro COBRA eny amin’iny faritra Antsofinondry,

17-nov-2023

kaominina Sabotsy Namehana iny. Nandritra ny fisafoana nataon'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Sabotsy Namehana ny 15 Novambra teo tokony ho tamin'ny 01 ora maraina no nahatrarana ambodiomby ny tena ati-doha amin’izany izay fantatra amin’ilay anaram-bositra hoe : LeROMAH. Teo ampihanihana andrin-jiro, nangalatra ilay jiro ilay ranamana io no tratra. Nambarany avy hatrany ny namany mpiara-mangalatra aminy dia tsy iza fa i LeZUMBA izay mbola anaram-bositra ihany koa. Jiro miisa 25 no efa nangalarin'izy ireo teo amin'ny faritra Sabotsy Namehana, Amorondria, Ambodivondava, Manarintsoa, Ambohinaorina, Namehana. Hamidiny 25.000 Ariary eny Isotry eo amin'ny lamba tonta ny jiro rehetra azony aorian’izany. Tsy vitan'izay ihany fa mbola nahitana RÔRÔ na RÔX, miaraka amin'ny fitaovana fampiasa amin'izany ihany koa tena amin'i Le-ROMAH nandritra ny fisavana am-batana natao azy. Mitohy ny fanadihadiana ary efa misy ireo mpiray ombon'antoka amin'izy ireo voatazona hatao famotorana ihany koa.
Pati
Legende : LeRomah sy ny jiro nangalariny ary ny mpitandro ny filaminana !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Mpivady nandritry ny 8 volana, niray trano saingy tsy vita sora-panambadiana no nifanaiky fa nifamitaka. T

Card image cap