airtel

Fandriampahalemana

11-sept-2024

Lohomby Mantasoa

Tratra ireo saika hangalatra ny taolan’Andriandehibe

Sample post image

Andian-jiolahy nikasa hamaky fasana no tra-tehaky ny fokonolona sy mpitandro ny

11-sept-2024

filaminana tao Andraingory Fokontany Lohomby, Kaominina ambanivohitr’i Mantasoa Distrikan’i Manjakandriana ny 08 Septambra teo tokony ho tamin'ny 5ora hariva. Raha araka ny fantatra dia efa tsikaritry ny fokonolona izy ireo nikasa hanao io asa ratsy io ka niantso zandary avy hatrany ireto farany.Ekipa miisa 6 tarihin'ny lefitry ny Kaomandin'ny tobim-paritry ny zandarimaria Mantasoa no nidina ifotony nampian’ireo fokonolona.Natao ny fiambenana ny toerana ny takariva saingy efa niala ny toerana saika hovakiana izy ireo ary tavela teo ireo fitaovana saika hoampiasainy.Tsy nijanona teo ny zandary fa nikaroka hevitra hahitana ireo jiolahy ka fantatra ny trano niafenany sy ny olona mampiantrano azy ireo.Vao mangirandratsy dia natao sarika ampandriana izy ireo ka tratra avokoa. Miisa 7 izy ireo ka ny roa no avy eto Ambatomaro Antananarivo. Tsy nahazo ireo sisan-taolan'Andriandehibe ireo olon-dratsy noho izany vokatry ny fahatongavan'ny zandary haingana.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy tsy mataho-tody mpamaky fasana !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Lehilahy iray 34 taona mpisoloky sy mpanambaka olona no sady mpampiasa taratasy

Card image cap
17-oct-2024

Tovovavy kely iray vao 22 taona monja antsoina hoe : “ Sanjaraky”

Card image cap
16-oct-2024

Tovolahy iray 25 taona no saron'ny FIP ao Toamasina tao anaty hotely lehibe any an-toerana omaly

Card image cap